BarCamp Madagascar
BarCamp Madagascar no BarCamp voalohany ho atao eto Madagasikara. Maimai-poana ny fandraisana anjara ho an'ny mpanatrika rehetra ary resadresaka sy famelabelaran-kevitra mahaliana mikasika fampiasan'ny Malagasy sy ny teknolojia no ho atao ao. Tafiditra ao amin'ny vidim-pidirana, 0 Ariary, koa ny kafe, sakafo atoandro ary T-Shirt fahatsiarovana (Mankasitraka ireo mpanohana).
Ny mpandray anjara rehetra dia samy tompon'ity hetsika ity. Ny mpanatrika rehetra dia entanina handray anjara, na dia faran'izay kely aza, ary hanampy amin'ny fanatontosana ny BarCamp. Ny fandraisanao anjara dia mety hampifanojo ny BarCamp Madagascar amin'ny nofinofinao mikasika ny hetsika ho an'ny teknolojia hatrizay.
Mombamomba ity hetsika ity
Inona ?
BarCampMadagascar
Iza ?
Ireo mpikarakara amin'izao
- Jogany, fanaparitahana ny BarCamp, blaogy ary mpanentana amin'ny BarCamp Madagascar. jogany_at_ gmail.com
- Heri, mikarakara ny tranokala, heri _at_ madmedia.ca
- Stéphane Ramananarivo, tompon'andraikitra ao Antananarivo Tél : 0324906859
- Hery Zo Rakotondramanana Web 2.0, inona no mety ho tombontsoan'ny orinasanao?
- Germain Ralantoarison hiresaka momban'ny takariva.com
- Tsiry Andrianatoandro Sary sy Feo Malagasy Graphics mpikarakara ny sary mihetsika miaraka amin'ny feo-kira
- mpikaraka avy ao amin'ny eBoons.net sy ConnecTIC
- mpikaraka avy ao amin'ny [http://www.ibonia.com/ibonia/index.php|ibonia.com]]
- mpikaraka avy ao amin'ny [http://www.esaina.mg|E-saina]]
- Responsable [Net Access ]
- C3lf - RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy [Club Linux et Logiciels Libres de Fianarantsoa]
- Sazykely RAMANANTOANINAhttp://sazykely.blaogy.com mpiblaogy ; journaliste Etudiante (thème: l'avenir du journalisme face à l'e-journalisme)
Mila fanampiana izahay amin'ny fanaraha-maso isan-karazany, fifandraisana amin'ny olona mety hanatrika (mpikirakira solosaina, mpandraharaha, linux, mpitoraka blaogy, mpianatra, sns), mba hiresaka amin'ny mpamatsy vola, ary hanasa ny olona hanatrika.
Aiza ?
Ivotel - Ambohidahy, Antananarivo Sary ato @ Flickr http://www.flickr.com/photos/foko_madagascar/sets/72157606890971253/
Rahoviana ?
Amin'ny Sabotsy faha-4 Octobra 2008 manomboka amin'ny 9 ora maraina ary mifarana amin'ny 6 ora hariva.
Fanampiana Ilaina
Mitady olona hiasa an-tsitra-po izahay hanampy amin'ny fanatontosana ny BarCamp Madagascar. Tongava hiara-miasa aminay !
Maromaro ny zavatra azon'ny tsirairay atao ho fanampiana ny BarCamp Madagascar :
- Mitoraha blaogy mikasika ny BarCamp Madagascar. Raha mahaliana anao dia mba asio rohy mandeha amin'ity takelaky ny BarCamp Madagascar ity ao amin'ny blaoginao. Raha efa nanatrika BarCamp ianao dia mba tantarao hoe inona no tena nitiavanao azy ary inona no antenainao amin'ity BarCamp ity. Raha tsy mbola nanatrika BarCamp kosa ianao dia mba zarazarao izay antenainao amin'ny BarCamp Madagascar.
- Ampitampitao amin'ireny fifampizarana rohy ireny ny BarCamp Madagascar, raha mampiasa fizarana rohy tahaka ny digg.com, del.icio.us sns ianao.
- Asao ny olona any ampiasana. Raha misy mpiara-miasa aminao heverinao hoe mety ho liana amin'ny BarCamp. Mandefasa fanasana amin'ireo olona heverinao fa mety hanatrika. Mety ho azonao atao koa ny manasa ny mpiasa rehetra raha amin'ny sehatry ny teknolojia ny orinasa iasanao. (Jereo ny lisitry orinasa na fikambanana heverinay fa tokony handefasana Invitations.)
- Asao ny olona any ampianarana. Raha mpianatra ianao na mpiasa amin'ny anjery manontolo, dia asao ny mpianatra na mpiasa hafa ho tonga amin'ny BarCamp. Mandefasa fanasana faobe raha amin'ireny fikambanan'ny mpianatra ireny ianao. (Jereo ny lisitry ny orinasa na fikambanana heverinay fa tokony handefasana Invitations.)
- Asao ny olona any amin'ny fikambanana isan-karazany any. Mpikambana amin'ny fikambanana manome vahana ny teknolojia, na ny fitiavana mikarokaroka sns ve ianao ? Asao ary ny mpikambana ho tonga amin'ny BarCamp Madagascar fa hahafinaritra azy ireo io. (Jereo ny lisitry ny orinasa na fikambanana heverinay fa tokony handefasana Invitations.)
- Asao ny namanao. Mahafantatra olona mety ho liana amin'ity hetsika ity ve ianao, na mety ho afaka mandray anjara ? Resadresaho aminy ny BarCamp Madagascar, na asao izy hiaraka aminao amin'io.
Aza miandry ny “mpikarakara” handefa ny fanasana amin'ny olona tianao ho tonga amin'ny BarCamp Madagascar. Mpikarakara koa IANAO satria tianay ho tena mpandray anjara amin'ity hetsika ity. Ataovy izay hahatongavan'ny olona tianao hiresahana na tianao hanao famelabelarana amin'io Sabotsy io.
Ampitao amin'ny blaogy
Aza hadino ny miresaka ny BarCamp Madagascar ao amin'ny blaoginao, aloha (sy aorian') ity hetsika ity. Ampiasao ny “tags” barcampmadagascar mba ahitan'ny olona maro ny lahatsoratra nataonao mikasika ity hetsika ity manokana ; ary barcamp ho an'ny barcamp amin'ny ankapobeny izay mampifandray antsika amin'ny tontolon'ny barcamp amin'izao tontolo izao.
Fandaharam-potoana
Amin'ny ankapobeny dia izao no fizoran'ny BarCamp Madagascar.
- 9:00AM Misokatra ny varavarana : Manomboka ny fisoratana anarana. Kafe, sakafo maraina sy zava-pisotro hafa, fifankahafantarana mialoha ny hetsika, fandaminana ny fandaharana.
- 9:30 presentation
- 10:00AM Manomboka ny famelabelarana
- Fakan-drivotra : Kafe sns
- Mitohy ny famelabelarana
- 1PM Sakafo atoandro
- Mitohy ny famelabelarana
- 4PM Fakan-drivotra
- Mitohy ny famelabelarana
- 6PM Resadresaka sy famaranana
- 8PM Mikatona ny varavarana.
Mpiara-miasa
Raha te hanampy ny BarCamp ianao dia ilazao i Joan. Ho apetraka amin'ny takelaky ny BarCamp sy ny filazana an-gazety ary hisaorana amin'ny fanokafana sy famaranana ny hetsika ireo mpanohana ofisialy. Jereo ny Sponsorship raha mila fanazavana fanampiny.
HOTEL IVOTEL AMBOHIDAHY, Antananarivo FOKO MADAGASCAR MONTREAL TECH WATCH-MADMEDIA